29 jona 2019, Fankalazana ny Fetim-pirenena eto Hamburg

Informations sur l'événement

Partager cet événement

Date et heure

Adresse

Adresse

Gemeindehaus EFG

Sievekingsallee 77

20535 Hamburg

Germany

Afficher la carte

Politique de remboursement

Politique de remboursement

Pas de remboursements

Description de l'événement

Description

Miarahaba antsika rehetra,

Hisy fankalazana ny fetim-pirenena eto Hamburg ny faha 29 volana jona ho avy izao. Nisy tranon-kala noforonina mba hanamorana ny fampitam-baovao sy ny fifandraisana : https://www.malagasy-germany.org/

Mahafaly anay ny mizara aminareo ny ho endriky ny fandaharam-potoanantsika amin'io andro io :

11:00 - 14:00 Fitsidihana ny tananan'ny Hamburg (Fizahantany)

Homena anareo manaraka eto ny toerana hihaonana sy ireo zavatra afaka ho jerene. Tsy misy fidim-pidirana izy io fa samy mitondra rano na zava-pisotro sy mivatsy izay ody vavony na sakafo sahaza azy avy.

14:00 - 17:00 Lalao sy fanatanjahantena ankalamanjana

Hisy lalao sy fanatanjahantena isankarazany izay ahafahan'ny rehetra, ny ankizy sy ny lehibe, mandray anjara.

Mba hahafahan'ny mpikarakara mameno ny lany dia misy fandraisana anjara 6€ isan'olona ho an'izay rehetra misoratra anarana amin'io. Mahazo zava-pisotro iray izay safidiany sy sakafo maivana ny tsirairay avy.

* Ny ankizy latsaky ny 6 taona dia tsy mandoa.

17:00 - 18:30 Workshop

Fanazavana sy fiofanana miendrika fizarana mahakasika ny Aupair, FSJ, fiofanana arak'asa sy fianarana ambony ary ny fomba fitadiavana asa eto Hamburg izay ho entanin'ny Ramatoa Elsa Rajemison.

19:00 - 03:00 Sakafo malagasy sy alimpandihizana

Ho atomboka amin'ny fisakafoanana miaraka ary ho tohizana amin'ny alimpandihizana izay hoafanain'ny mpanafana lanonana, na DJ, avy any Belgique ny fety.

Sakafo 19:00 - 21:00

Kompozea, nems sy sambos no ho sakafo fidirana

Vary, ravitoto, hena sy voanio | Vary, petipoa sy akoho | lasary gasy sy lasary voatabia

Mofo mamy no hatao tsindrin-tsakafo

* Mandritry ny sakafo dia mahazo mihira izay manantalenta. Mila misoratra anarana mialoha fotsiny.

Fanombohan'ny lanonana | Afindrafindrao 22:00

Misy vidim-pidirana 22€ isan'olona izay efa ahazoana sakafo sy zava-pisotro iray maimaimpoana.

* Ireo izay mandoa ity 22€ ity dia tsy mila mandoa intsony rehefa manatrika ilay lalao sy fanatanjahantena ankalamanjana

Voafetra ho 100 ihany ny toerana amin'ilay sakafo malagasy sy alimpandihizana ka raha misotra anarana mialoha. Ny toerana 20 hafa dia natokana ho an'ireo olo manankaja nasaina manokana.

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka manoratra na miantso.

Date et heure

Adresse

Gemeindehaus EFG

Sievekingsallee 77

20535 Hamburg

Germany

Afficher la carte

Politique de remboursement

Pas de remboursements

Sauvegarder cet événement

Événement sauvegardé